Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny ASIEF 2025 izay natao tany Mahajanga.
Notontosaina ny faha 01 Aogositra 2025 teo ny fanokafana ny ASIEF 2025 tamin’ny fomba ofisialy izay notanterahina tao Mahajanga, renivohitry ny Faritra Boeny.
Noentina nanamarika izany ASIEF izany na « Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires » dia nisy ny carnaval nataon’ireo ministera mpandray anjara nanomboka teo amin’ny Statut Barea hatrany amin’ny village des jeux.
Tonga nanome voninahitra ity hetsika ity Atoa Governoran’ny faritra Boeny, ny prefet ary ireo Tompon’andraikitra ara -panjakana maro, sivily sy miaramila.
Toy ny isan-taona dia maro ireo Ministera nandray anjara mavitrika tamin’ity ASIEF 2025 ity ka anisan’izany ireo solontenan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Hotontosaina manomboka ny 02 ka hatramin’ny faha14 Aogositra ity fifaninana ara-panatanjahantena ity ary maro ireo karazana fanatanjahantena hifanandrinana mandritra izany toy ny basket ball, volley-ball, petanque sns..
Tanjona napetraka amin’ity fifaninana ara panatanjahan-tena isan-tsokajiny ity ny fampivelarana ny fifandraisana sy fifankatiavana ho an’ireo mpiasam-panjakana ary hikojakojana ny ara-batana mba hitondra fahasalamana sy saina matsilo hahafahana manatanteraka antsakany sy andavany ireo andraikitra ankinina amin’izy ireo.