Raha miresaka momba ny toekarena manga dia anisan’ny fototra lehibe mampandeha izany ny PSM (Planification Spatiale Marine) na drafi-panajariana momba ny ranomasina. Ity drafitra ity no fototra iankinan’ny fampandrosoana maharitra ary ny fametrahana izany dia antoka iray lehibe hirosoana amin’ny fampandrosoana ny toekarena manga eto Madagasikara, ka mametraka ny ranomasina ho ivon’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy.
Tafiditra ao anatin’izany ny fandinihana ny fari-dranomasina rehetra azo trandrahana toy ny jono, ny fizahan-tany an-dranomasina, ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany an-dranomasina . Ankoatran’izay koa anefa dia jerena manokana ihany koa ny fiarovana ny Fari-dranomasina tokony arovana manoloana ireo tranga isan-karazany. Ny fitantanana araka ny tokony ho izy dia hahafahana mampifandanja ny fitrandrahana sy ny fiarovana mba hahazoana tombontsoa maharitra ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.
Manoloana ireo fanamby mbola miandry dia notontosaina androany faha 06 Aogositra 2025 ny atrikasa nasionaly ho fankatoavana ny tari-dalana mahakasika ny drafi-panajariana ny ranomasina izay hotontosaina tao amin’ny Hotel Panorama Andrainarivo izay niarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (#MPEB), ny Ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (#MFFT), ary ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy (#MEDD) sy ireo mpisehatra maro samihafa. Ny WWF kosa no nanohana ara-teknika sy ara-bola nahatongavana tamin’izao hetsika izao.
Amin’ny ankapobeny dia efa misy ny paikady sy ny politika nasionaly momba ny ranomasina ary ny Tonjozotra Nasionaly Hampandrosoana ny Toekarena Manga fa ny fisian’ity “PSM” no fitaovana lehibe entina handrindrana ireo hetsika rehetra, ahafahan’ny mpisehatra tsirairay mahita ny andraikiny sy ny anjara asany.
Marihina fa amin’ny faritra 15 manana ranomasina
eto Madagasikara ka ny faritra 10 amin’ireo dia efa nanomboka ny dingana famolavolana ny drafi-panajarianany ranomasina. Ny fiaraha-miasa eo ami’ny mpisehatra rehetra toy izao no hiantohana ny fahombiazan’ny drafitra sy ny fampiharana azy amin’ny fomba mahomby.
