Β Β Olana sedraina ary atrehinβny firenena rehetra ny ady aminβny Jono tsy manara-dalana , tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana (#PΓͺche INN) ary ilana vahaolana sy fifanomezan-tananβny rehetra ihany koa. Raha ho anβi Madagasikara manokana no resahina dia efa maro ny vokatra tsara azo tsapain-tanana manoloana izany ady aminβny « PΓͺche INNΒ Β» izany aminβny alalanβireo fitaovana izay hampiasanβny eo anivonβny Ivotoerana fanarahamason’ny Jono na ny Centre de Surveillance des PΓͺches (#CSP), izay rantsamangaika eto anivon’ny MPEB hahitana sambo miisa 25 ankehitriny miampy drone miisa 2 izay vao azo ny volana Jolay 2025 teo ary nahatratrarana sambo vahiny miisa 5 (sri-lankais sy kenyan) izay nanao pΓͺche INN tao anatin’ny fari-dranomasina Malagasy nanomboka ny taona 2024.
Β Β Manoloana ireo ezaka efa vita sy ireo fanamby mbola miandry dia tonga nanolotra fitaovana maro tamin’ny fomba ofisialy hoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga aminβny alalanβny CSP ny fandaharanβasa #ECOFISH eo anivonβny Vondronβny Ranomasimbe Indianina #COI izay vatsianβny Vondrona Eropeanina vola androany faha 11 Aogositra 2025 teto Ampandrianomby izay misy ny foiben’ny Ministera.
Β Β Β Fitaovana vaovao toy ny angovo azo havaozina avy aminβny herinβny masoandro manana tanjaka 12 000 Watt izay hamatsy fitaovana toy ny Β« serveur Β» sy solosaina maro izay ilana herinaratra tsy tapaka hahafahana manangona tsara sy feno ireo antontan- kevitra sy antontanβiza aminβny fotoana eo no eo . Ankoatranβizay dia nisy ihany koa ireo fitaovan-tserasera samihafa ho apetraka eny ambony sambo izay manao ny asa fisafoana an-dranomasina Telonify izay hafahana mifandray mivantana eo no eo .
Β Β Atoa Edgar Razafindravahy, Sekretera Jenaralinβny COI no nanolotra izany hoan’ny Ministera izay eo ambany fitarihan’Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert.
Nanamafy hatrany ny COI fa vonona hifanome tanana aminβizany ady aminβny Jono tsy manara-dalana, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana izany.