Anisan’ny mampahomby ny fiompiana trondro ny endriky ny vohontany satria manamora ny fifehezana ny rano sy ny fanajariana ny toerana izany. Manandanja ihany koa anefa ny fifehezana ny teknikam-piompiana ka izany no nahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manapariaka sy manome fampiofanana maimaimpoana momba ireo teknikam-piompiana trondro manerana ny Nosy.
Nisitraka izany ny mpiompy trondro niisa 31 avy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mahatsinjony, Distrikan’i Lalangina ny faha 08 Aogositra 2025 teo.

Nandritra izany no nanamafisana ny fahaizana izay efa nananan’izy ireo momba ny fiompiana trondro an-dobo sy antanim-bary. Vonona tanteraka ny hampihatra izay fahaizana nozaraina taminy ireto mpiofana ary antenaina arak’izany fa hiroborobo ny fiompiana trondro aorian’izao fampiofanana izao.
#MPEB #DRPEB #Matsiatra_ambony #fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *