Nitsidika sy nanao tombana ny vokatra ary nanao fanitsiana ny fomba fiompiana teny ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono zy ny Toekarena Manga Vakinankaratra, izay natrehin’ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny #koperativa_Vohitr_Aro ny faha 28 Aogositra 2025.
 Manodidina ny 30 isa eo ho eo ny dobon’ity koperativa ity ka ny 05 dia efa nanombohana niompiana trondro karpa tamin’ny fomba nenti-paharazana.
 Maniry ny hanatsara ny vokatra ny mpikambana rehetra sady resy lahatra ny hampihatra ny teknika manaraka ny toetrandro sy ny fenitra amin’ity taom-pamokarana vaovao.
 Hita ny fahavononan’izy ireo ary tena tsara rano sy malalaka ny toerana ka hisy ny fanampiana azy ireo mba hahita tombony kokoa sy mba ho fitaratra ho an’ny manodidina any Ambanivohitra any.
Velom-pisaorana sy fankasitraha izy ireo noho izany satria tena lavitra sy ratsy lalana ilay toerana ary sambany nisy nitsidika sy nanitsy toy izao ny fomba entina hiompiana trondro.
#MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #Fampamokarana_ny_Atirano

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *