Ho fanatsarana ny velontenan’ireo mpanjono madinika eto amin’ny Fokontany Taranta dia nozaraina fitaovam-panjonoana maro Ary manaraka ny fenitra izy ireo avy amin’ireo mpanjono vaventy nandritra ny fitsidihan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert.
Anisan’izany ny salotra vonjy aina miisa 110 , kit de palangre miisa 30 , filet multi filaments (kits) miisa 95 , sac de plonger miisa 40 sy ny maro hafa ….
Nohamafisiny nandritra ny fizarana fa zava-dehibe ny fananana ny #karatra_maha_mpanjono ahafahan’izy ireo misitraka ireo tombotsoa maro avy amin’ny Ministera sy ahafahana manara-maso ny asan’izy ireo . Eo ihany koa ny fidirana anaty fikambanana ho fanamorana ireo asa rehetra entina handrindrana ny fitantanana ny Jono ao an-toerana.
