Tsy mijanona amin’ny fanohanana ny TGRH (Transfert de Gestion des Ressources Halieutiques) ihany ny ONG Blue Ventures, fa mbola manao ezaka lehibe amin’ny fanatsarana sy fanamparitahana ny fitantanana ny Vola Iombonana (GEC) ao amin’ny Nosy Komba.
Nisy arak’izany ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo Filohan’ny Fikambanana GEC Nosy komba sy ny Filohan’ny Fédération GEC na La Clé 3 tao amin’ny Préfecture Nosy Be Izay notronin’ny solontenan’ny CirPEB Nosy Be izay natao ny faha 30 Aogositra 2025 teo izay heverina hanokatra fomba fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny sehatra La Clé 3/VOAMAMI izy ireo.
Nandritra io dinika io dia teboka maromaro no nifanakalozan-kevitra mba hampandrosoana ny asa sy ny fitantanana ny GEC ka anisan’ny zava-dehibe voaresaka ny :
Fanomezana fiofanana momba ny AR (Agent de Relais) vaovao.
Fiofanana ho an’ny mpitantsoratra sy ny filohan’ny GEC izay hampianarana azy ireo ny fomba fitazonana boky kaonty, indrindra ny “Journal de caisse” mba hiantohana ny mangarahara sy ny fahamarinan’ny fitantanana ny vola.
Fampiofanana ny mpikambana GEC momba ny fomba hanodinana sy hampiasana tsara ny vola mba hiantohana ny tombontsoa ho an’ny rehetra.
Ary ny fanaovana “Visite d’échange”: Hahafahana ny fikambanana GEC ao Nosy Komba hifampizara traikefa sy fahalalana, ka hampiroborobo ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana eo amin’ny vondrona.
Ireo mpikambana ao amin’ny TGRH MEVATARIMY ao Ampangorina dia hahazo tombony manokana satria dia hahazo fiofanana momba ny tohana ara-tsakafo izy ireo ary fiofanana manokana momba ny fomba fanaovana “Poissons Fumés” .fiofanana ireo dia mikendry ny hanatsara ny fahaiza-manao ara-toekarena sy ny fampandrosoana maharitra ho an’ny fiaraha-monina eo an-toerana.