Nandritra ny telo volana mahery teo dia somary nisy fiatoana ny famenoana ny tabilao #SAP (Système d’Alerte Précoce) tao amin’ny Fkt Ambatosarotra, kaominina Fenoambany, ao anatin’ny distrikan’i Vangaindrano. Mba hamahana io olana io dia nisy ny fivoriana nifanaovana tamin’ireo mpanjono ao an-toerana izay nanoloran’izy ireo anarana olona telo vaovao ho point focal hanohy ny andraikitra.
Ireo olona ireo dia noraisin’ny ekipa avy amin’ny DRPEB Atsimo Atsinanana ny 01 Saptambra 2025 teo ary nampiofanina mba entina hanampiana ny fahaizany manatanteraka ny andraikitr’izy ireo amin’ny fanaraha-maso sy fanangonana ny vaovao ilaina amin’ny #SAP.
Nandritra io fiofanana io dia nohamafisina hatrany ny maha-zava-dehibe ny SAP amin’ny fiarovana ny ain’ireo mpanjono mialoha ny hanatanterahan’izy ireo ny asany. Ity rafitra ity dia manampy amin’ny fampitana haingana ny vaovao momba ny loza mety hitranga toy ny toetr’andro ratsy hisorohana ny loza an-dranomasina mba hampihenana ny fiantraikany ratsy. Ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo mpanjono sy ny point focal no antoka hiantohana ny fahombiazan’ny rafitra.