Samy manana ny fotoana fikatonan’ny jono amin’ny fotoana voafetra ny faritra tsirairay eto Madagasikara. Mandritra io fotoana io no ahafahan’ny hazandrano manatody sy mitombo ara-dalana ka ahafahana miantoka ny fitombony ara- boajanahary. Araka izany dia nidina ifotony tao Ambohimitombo nanao ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fikatonan’ny jono an-dranomamy ao amin’ny faritra Itasy ny ekipan’ny eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB niaraka tamin’ny Governoran’ny faritra Itasy ny 01 Septambra 2025 teo.
    Nampahafatarina nandritra izany ny didy hitsivolana navoakan’ny fiadidiana ny faritra izay namaritana ny fe-potoana hikatonana vonjimaika ny fanjonoana an-dranomamy izay nanomboka ny 01 Septambra ka hatramin’ny 31 Oktobra 2025.
    Voarara mandritra izany ny fitrandrahana hazandrano amin’ireo farihy rehetra any an toerana mba hitsinjovana ny taranaka fara- mandimby sy hisitrahan’izy ireo ny harena anaty rano ho lovainjafy. Paikadin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB ny hampanarahan-dalana ireo mpisehatra amin’ny Jono an-dranomamy rehetra ao an-toerana.
#MPEB #DRPEB #ITASY #Fikatonan_ny_ Jono_andranomamy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *