Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny avy ao amin’ny DRPEB Ihorombe # sy ny ekipany tqmin’ny fanatontosana ny fampiofanana manokana ho an’ireo tantsaha tao amin’ny Fkt Morarano, Kaominina Ambanivohitra Antsoha, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe. Tantsaha niisa 29 no tonga niatrika izany fampiofanana izany.
Nandritra ny fampiofanana dia lohahevitra maro no nozaraina tamin’ireo mpandray anjara ka anisan’izany ny fomba fiompiana trondro an-tanimbary, ny fanamboarana dobon-trondro, ary ny fitantanana ny sakafon-trondro. Ireo lohahevitra ireo dia nosafidian’ny mpikarakara ho fanampiana ireo tantsaha hampitombo ny vokatra sy hanatsara ny fiveloman’izy ireo amin’ny alalan’ny teknika maharitra sy mahomby.
Ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny DRPEB sy ny DRAE avy ao Ihorombe ary ny ONG TSIMOKA, izay samy manana ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana sy ny fampandrosoana ny tantsaha avy ao amin’ny faritra.
