Anisan’ny asa mahavelona ny mivarotra trondro, indrindra ho an’ireo mponina ambanivohitra izay mamonjy tsena isan-kerinandro.
Nidina ifotony, nanao fanentanana momba ny fihinana trondro teo amin’ny PK33, lalan’Anosibe-An’Ala ny #DRPEB_Alaotra_Mangoro. Mpiantsena manodidina ny 500 avy amin’ny faritra ambanivohitra no nanatrika izany fanentanana
Atoa Fernan no mpamatsy fototra amin’ny trondro andranomasina, ka nentanina hatrany izy amin’ny fanajana ny fahadiovana sy ny fitandremana ny hatsiaka mba hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra.
Antenaina fa hiroborobo ny varotra taorian’ity hetsika ity, ka hahalafo trondro mihoatra ny 20 kg.
