Nihaona tamin’ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗝𝗼𝗻𝗼 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗠𝗮𝗻𝗴𝗮 vaovao, Andriamatoa 𝗖𝗵𝗮𝗻 𝗞𝗶𝘁 𝗪𝗮𝘆𝗲 𝗝𝗮𝗰𝗼, ireo solontena avy ato amin’ny Blue Ventures Madagasikara, izay nialohavan’ny Andriamatoa 𝗚𝗶𝗹𝗱𝗮𝘀 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮, Directeur Pays, ho firariantsoa sy fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta
Raha toa ka fanohanana ny fitantanana harena an-dranomasina amin’ny alalan’ny 𝗵𝗮𝗶𝘁𝗮𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗳𝗼𝗸𝗼𝗻’𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗼𝗿𝗼𝗻𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗸𝗮 no isan’ny tena imasoan’ny Blue Ventures, dia nanamafy ny Minisitra fa isan’ny zava-dehibe ho azy indrindra ny 𝗳𝗶𝗷𝗲𝗿𝗲𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗸𝗮𝗶𝗸𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗮𝘇𝗮𝗻-𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝗻𝘆, izay mitàna anjara-toerana lehibe eo amin’ny sehatra ekonomika.
Nambaran’i A/toa Minisitra ihany koa fa misokatra tanteraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo ONG mpisehatra sy mpiara-miasa akaiky amin’ireo vondron’olona ifotony ny tenany, ary manana finiavana ny hifanampy, indrindra fa ny amin’ny fampangaraharana sy fampandrosoana ny jono; Izany dia mba ho tombotsoa ho an’ny mpisehatra rehatra, indrindra ireo olona ifotony, mpanjono sy mpamokatra, izay vato ifaharana.
Nozaraina tamin’izany indrindra ny 𝗽𝗮𝗶𝗸𝗮𝗱𝘆 𝟮𝟬𝟯𝟬, izay iezahanan’ny Blue Ventures 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗶𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗼 any amin’ny faritra hafa, mba hampahaleon-tena ny fikambanana misy azy ireo sy hanamafisana ny haitarika sy haintantana eny ifotony.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *