Tontosa ny zoma faha 07 novambra 2025 teo ny fihaonana teo amin’A/toa CHAN KIT WAYE Jaco, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ireo Tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny IHSM « Institut Halieutique et des Sciences Marines » Oniversiten’ i Toliara izay notarihin’Profesora Gildas Todinanahary.
Fihaonana izay niompana tamin’ny fanamafisan’ ireo solontenan’ny IHSM izay nizarany ny vinan’izy ireo amin’ny fanohizana ireo fampiofanana maro isan-karazany mba hahamatihanina bebe kokoa ireo mpiantsehatra eo amin’ny sehatry ny jono manerana ny nosy ka notsindriana manokana tamin’izany ny hahafahana mampiroborobo ny eo amin’ny lafiny fandraharahana.
Eo ihany koa ny soso-kevitra amin’ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa izay efa misy eo amin’ny roa tonta mba hahafahana mandrindra sy manatsara ireo rafitra sy fikambanana mpisehatra eo amin’ireo karazana haza an-dranomasina manandanja ara-toekarena etsy andaniny ary mba hahafahana ihany koa mitondra bebe kokoa ireo vokatry ny asam-pikarohana hahafahana mampandroso ny sehatra mba hanatsarana ny haitondra sy ny fitantanana maharitra ireo harena voajanahary an-dranomasina etsy ankilany.
Izao no manaporofo ny finiavana eo amin’ny MPEB sy ny IHSM amin’ny fanatsarana hatrany ny famokarana avy amin’ny vokatry ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina ka hampisy fiantraikany mivantana ho amin’ny fampandrosoana ny eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy hoan’ny mpiara-belona.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *