Mba hidiran’ny mpiompy trondro ao anaty fandraharahana tanteraka ka ho hahatonga azy ireo ho matihanina eo amin’ny sehatry ny famokarana izay ataony indrindra eo amin’ny lafin’ ny famokarana zana-trondro sy fanatavezana trondro dia nisy ny atrikasa izay natao ny faha 06 Novambra 2025 teo tao amin’ny Hotel Nambinina Ambositra ,Kaominina Ambonivohitra Ambositra.
Ny lohahevitra tamin’ity atrik’asa ity niompana tamin’ny fankatoavana ny fomba fanangonana ireo antontankevitra izay mifanindrandalana amin’ny famolavolanadia ny hoe  » Atelier de validation de ireo fitaovana fampiofanana mahakasika ny sekoly handraharahana momba ny kaoperativa ka ny tetikasa GIZ no niaraka nanatontosa izao hetsika izao. Solontena avy amin’ny antokondraharaha maro no tonga nandray anjara tamin’ity atrikasa ity indrindra fa ireo izay miantsehatra amin’ny fiompiana trondro avy ao amin’ireo kaominina izay nanaovana ny fanadihadiana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *