Tontosa ny faha 08 Novambra 2025 lasa teo tao amin’ny Fkt Isifotra, Kaominina Ambanivohitra Analavoka, Distrikan’Ihosy ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro ka momba ny fiompiana trondro an-tanimbary (rizipisciculture) sy ny fanamboarana sakafon-trondro ary ny fitantanana azy no lohahevitra nifampizarana nandritra izany ary hita fa dia tena nahaliana olona maro.
Miisa 92 ny mpiofana tonga nandray anjara tamin’ity fampiofanana ity ary nanamafy izy ireo fa vonona ny hampihatra ireo fahalalana nozaraina taminy mba hahafahana manatsara ny velontena sy ho modely ka afaka ho amin’ny manodidina tahaka.
