Tontosa ny faha 07 Novambra 2025 teo ny fizarana ireo zana-trondro izay natao ho fanohanana ireo mpiompy trondro ao amin’ny Faritra Itasy. Marihina fa ireto zana-trondro ireto dia avy amin ny Ministeran n’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Zana-trondro miisa 15000 no nozaraina tamin izany ka ny 7500 isa amin’ireo dia karpa ary 7500 isa kosa dia Tilapia.
Notsinjaraina ho an’ireo Distrika telo ao amin’ny Faritra ireo zana-trondro ireo ka 5000 isa isaky ny Distrika tsirairay dia ny Distrikan’i Miarinarivo , Arivonimamo ary Soavinandriana.
Ireo mpiompy trondro nahazo fiofanana mivondrona ao anaty fikambanana na tsy ao anaty fikambanana no nisitraka izany. Marihina moa fa efa maro ireo resy lahatra amin’ ity seha-pihariana ity raha ao amin ny faritra Itasy no asiana teny
