Tsy mijanona amin’ny fampiofanana ara-teknika ireo tantsaha ny tohana omen’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB fa mitohy hatramin’ny Fanomezana ireo hana-pamokarana.Araka izany dia nozaraina zana-trondro Tilapia niisa 5000 sy sakafo trondro 30kg ireo mpiompy trondro miisa 10 ao Soanierana Ivongo ny faha 07 Novambra 2025 teo.
Nifarimbona nahatontosa izany ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB sy ny Ofisim-paritry ny fanjarian-tsakafo ORN avy ao Analanjirofa tamin’ny alalan’ny tetikasa HAFA VELOTEGNA izay vatsian’ny UNICEF vola. Tonga nanotrona izany ireo olo-manakaja sy tompon’andraiki-panjakana maro any an toerana.Velom-pisaorana ireo nahazo ny tohana ary maniry ny hihitaran’izany amin’ireo kaominina manodidina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *