Ampandrianomby , Antananarivo. 7 Novambra 2025
Tonga naneho fahavononana hiara-hiasa miaraka amin’ny Ministry ny Jono sy ny Toekare-manga A/toa Chan Kit Waye ny SIAM na ireo (Syndicat des Ingénieurs Agronomes de Madagascar) nandritra ny fandalovan’izy ireo ny 7 novembre lasa Teo.
Tamin’izany no nanamafisan’Andriamatoa Minisitry ny MPEB fiaraha-miasa akaiky ary anaty firaisan-kina no hatao ahafahana mampandroso haingana ity sehatry ny Jono ity miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo teknisianina maro
fa indrindra ireo ingénieurs halieutes.
« 𝐀𝐭𝐚𝐨𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐟𝐨𝐯𝐨𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐫𝐢𝐧𝐤𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐨. 𝐓𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐥𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐚𝐦𝐚𝐧’𝐚𝐥𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐩𝐢𝐭𝐫𝐢𝐬𝐚 𝐢𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚 𝐤𝐨𝐬𝐚 𝐦𝐢𝐣𝐞𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨𝐞 𝐢𝐳𝐚 𝐧𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 𝐤𝐞𝐥𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐬𝐢𝐧𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐝𝐢𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐳𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐢𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧𝐲 , 𝐝𝐢𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐧𝐨 𝐚𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐡𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐲 » hoy izy.
Nanentana ny rehetra hiditra anaty fandraharahana manga izy Ary natolotra azy ny boky miarakitra ny fandaharanasa fohy ary mifanaraka amin’ny asa nangatahan’ny fitondram-panjakana azy.
