Ho famporisihana ireo mpanjono amin’ny asa ataony noho izy ireo miantoka betsaka ny famatsiana trondro ny tsena anatiny dia nozarain’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB fampitaovana ireo mpanjono madinika miasa manodidina ny Nosy Hara ny faha 11 Novambra 2025 teo.Fitaovana enti-manjono maro no natolotry ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB DIANA izay nahitana salotr’aina miisa 44,ny kitapo enti-manjono 24 isa ary ny combinaison miisa 12 .
Tanjona tamin’izao hetsika izao dia ny hanamafisana ny fiarovana ny ain’ireo mpanjono eo ampanatanterahana ny asany eny an-dranomasina. Noentanina ihany koa izy ireo mba hanaraka ny lalàna mifehy ny jono fa indrindra ny fotoana fikatonan’ny jono any an- toerana mba hisian’ny jono maharitra sy ho lovain-jafy.
