Mialoha ny daty hikatonan’ny jono an-dranomamy ao amin’ny faritra Betsiboka izay hanomboka ny faha 15 Novambra 2025 ho avy izao, ny ekipan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB dia miezaka hatrany manentana ireo mpiantsehatra rehetra momba ny fitrandrahana ny hazandrano any an-toerana. Etsy ankilany dia amporisihana hatrany ireo mpiompy trondro mba hanatsara ny kalitaon’ny asany satria tsy voarara ny mivarotra ny vokatr’izy ireo mandritra fotoam-pikatonan’ny jono.
Noho izany ilaina ny fananan’ireo mpiompy trondro karatra maha mpiompy hahafahany mitatitra sy mivarotra ny vokatra.Tanjona ny hisorohana ny fanasaziana vokatry ny tsy fahalalana ireo lalàna tokony ho hajaina sy ho tandrovina mba hahazahoana vokatra tsaratsara kokoa sy mba hampitombo ny vola miditra isan-tokantrano izay hisy fiantrainkany eo amin’ny lafiny sosialy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *