Miantoka ny fahombiazan’ny fiompiana trondro ny fanarahana ny teknika momba ny fanamboarana dobo sy ny fahaiza-mitantana ny sakafony.Izany indrindra no nahatonga ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Ihorombe nidina tao Beseva, distrikan’Ihosy ny faha 13 Novambra 2025 teo nanoro ireo tantsaha momba ireo teknika fanamboarana dobo,ny fenitra arahina amin’ny fanajariana ny tanimbary hiompiana trondro ary ny fomba fanomanana ny sakafo hoan’ny trondro.
Tanjona ny hampitomboana ny vokatra trondro hahafahana mamatsy ireo tanàna manodidina fa indrindra ny ao an-toerana.
