Anisan’ny himasoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ankehitriny ny fanokafana ny sehatry ny fandraharana amin’ny resaka Jono sy ny fampamokarana ny aty rano rehetra eto Madagasikara mandritra izao andron’ny fanavaozana izao. Ilaina Arak’izany ny fanamafisana sy fatsarana ny fomba fiasa sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiasa rehetra isaky ny Faritra .
Eto Mahajanga no nanombohana ny fidinana ifotony izay iarahana amin’A/toa Minisitra CHAN KIT WAYE Jaco amin’ny fampandrosoana ity sehatra ity . Nosafidiana manokana ny Faritra boeny satria eto no renivohitry ny Jono izay ahitana ireo karazam-bokatra maro izay mamelona fianakaviana maro ary ahitana ihany koa ny ankamaroan’ireo orinasa vaventy izay misehatra amin’ny Jono.
Nohamafisina hatrany ny fanafoanana tanteraka ny resaka kolikoly rehetra n’aiza n’aiza na amin’ny nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpiasan’ny Ministera ao an-toerana, ny fandraisana ireo olona izay te Hisehatra rehetra , ny fandraisana ireo mpanjono sns…. Nandritra izany ihany koa ny fanatsarana fomba fiasa sy ireo fitaovana hampiasana rehetra eo anivon’ny Sampana fanaraha-maso ny Jono CSP Ary ny fandraisana ireo mpandraharaha eny an-toerana.
Mbola mitohy mandritra ny roa andro ny diany eto amin’ny Faritra boeny amin’ny fampiroboroboana ity sehatra ity Anatin’ny fangaraharana
