Telo Andro katroka izao Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa Chan Kit Waye Jaco no nanantateraka fitsidihana teto Mahajanga. Nandritra izany dia nifankahafantatra sy nitafa tamin’ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny Ministera izy, anisan’izany ny teo anivon’ny #ASH (Autorité Sanitaire Halieutique ), ny #CDA (Centre de Développement de l’Aquaculture ), ary ny toeram-pitehirizam-bokatra #CDPHM. Nampahafantatra ireo hafatra mafonja izy momba ny fanatsarana ny fomba fiasa izay mifantoka amin’ny fangaraharana sy ny fanajana ny lalàna mifehy ny asa rehetra, indrindra amin’izao andron’ny fanovana izao ary ny fanajana ny kalitaon’ny foto-drafitrasa.
Ankoatr’izay dia nisy ny fampivoriana natao niaraka tamin’ireo mpanangom-bokatra (collecteurs) eto Mahajanga, izay efa ela no niandrasan’izy ireo ity fihaonana ity izay natokana hanomezana vahaolana momba ireo olana efa sedrain’izy ireo nandritra ny taona maro. Nalalaka ny fandraisam-pitenenana, ary samy naneho ny hetahetan’izy ireo fa tsy hisy intsony ny fampanantenana poakaty fa fanatanterahana mivantana avy hatrany.
A/toa Minisitra dia mampatsiahy hatrany fa tsy handeferana intsony ireo karazana kolikoly izay nanimba sehatra maro , mila mifanome tanana satria iray ny tanjona dia ny hampandrosoana ny sehatry ny Jono fa indrindra hampiakarana ny fari-piainan’ ny mpanjono eny ifotony.
Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue
#CDA #ASH #CDPHM #COLLECTEUR #CSP #ZERO_CORRUPTION
