Ny fisian’ireo sambo manao jono tsy ara-dalàna dia mandrava ny loharanon-karena an-dranomasina, ary manohintohina ny fiainana andavanandron’ireo mpanjono.
Mandritra ny fanadiovana ity sehatry ny Jono ity mandritra izao fanovana izao dia Nohamafisin’A/toa Minisitra CHAN KIT WAYE Jaco fa ireo izay mandika ny lalana sy Manao ny fihoaram-pefy rehetra dia tsy maintsy hiaran’ny fanasaziana avokoa Ary tsy andeferana fa indrindra ihany koa ny kolikoly.
Mifandraika amin’izany ireo Sambo miisa 3 tratra nanao ny « Peche illicite » an’ireo terantany Sri-lankais Raha roa kosa no tratra any Nosy be . Nogiazan’ny avy eo anivon’ny Sampana fanaraha-maso ny Jono CSP ireo Sambo ireo izay Efa nanaovana fanadihadihana Lalina ankehitriny Ary koa ny fandinihana amin’ny tokony hanaovana ireo Sambo .
Ny ezaka hanamafisana ny lalàna sy ny fitsipika, ary ny fanasaziana ireo mandika lalàna dia zava-dehibe ho fiarovana ny harenan-dranomasin’i Madagasikara sy hanohana ny seha-piharian’ireo vahoaka eo an-toerana izay miankina amin’ny jono fa indrindra hisian’ny Jono maharitra ho Lovain-jafy.
