Fanetriben’ny firenena sady mampihena ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny fisian’ny Kolikoly.Izany indrindra no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB manao vaindohan-draharaha ny ady atao amin’izany noho izy isan’ireo mampiditra vola betsaka.
Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana an’A/toa Minisitra CHAN KIT WAYE Jaco ho fanamafisana ny fiarahana miady amin’izany ireo delegasiona avy amin’ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly #BIANCO niaraka tamin’ireo ekipa avy amin’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly sy ny fangaraharana (STAC) eto anivon’ny MPEB androany faha18 Novambra 2025.
Vontoatin’ny fihaonana ny fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta hiadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ny Ministera ary notsindrian’A/toa Minisitra fa tsy azo leferina ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny rehetra eto anivon’ny Ministera iadidiany.Aorian’izao fihaonana izao dia hisy ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa eo amin’ny MPEB sy ny BIANCO.
#MPEB #BIANCO #AdKolikoly

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *