Mandritra izao vanim-potoana fikatonan’ny Jono izao dia nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ireo Kaominina maro samihafa ao anatin’ny Distrikan’i Maevatanana ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ( DRPEB ) Betsiboka sy ny ONG Impact Madagascar.
Ny Fanentanana ny amin’ny tokony hanajan’ireo mpanjono ireo fepetra rehetra mandritra ny vanim-potoana fikatonan’ny jono izao no tena tanjona tamin’izao fitsidihana sy fidinana izao izay nanomboka ny faha 18 ka hatramin’ny faha 21 Novambra 2025 teo ka notsindriana mafy tamin’izany ny mahazava-dehibe ny vanim-potoana fikatonan’ny Jono mba hahafahan’ireo hazandrano mitombo sy miha lehibe mba hisy ho lovainjafy sy hampisy ny fampandrosoana mirindra eny ifotony.
