Kaominina anisan’ny sarodalana ao anatin’ny distrikan’Ambositra ny kaominina Ambinanindrano.Tsy nahasakana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Amoron’i Mania nizara fahalalana fototra mikasika ny fiompiana trondro tany anefa izany.
Tantsaha niisa 46 avy any an toerana no nisitraka izany ny faha 20 Novambra 2025 teo.Nanome ny tantsoroka nahafahana nanao izao fampiofanana izao ny Appui sectoriel »izay tohana avy amin’ny Vondrona Eorepeanina .Vonona ny hampihatra ny fanofanana azony izy ireo hampitomboana ny famokarana trondro ao amin’ny faritra Amoron’i Mania.
#MPEB#DRPEB#Amoron’_mania#asa_manga# Fandraharahana_Manga# PPSPAS
