Miara-miasa ny fanjakana sy ny fiangonana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ho fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro.Araka izany dia nisitraka fampiofanana momba ireo teknika fototra hahafahana mampahomby ny fiompiana trondro an-dobo ivelan’ny tany ny Fikambanan’ny Lehilahy Kristianina (SLK) avy ao amin’ny FJKM Ambohinaorina, Sabotsy Namehana.
Miisa 29 mianadahy ireo tonga nisitraka izany ny faha 21 Novambra 2025 teo. Antenaina fa hampiakatra ny vokatra trondro azo jifaina eto amin’ny faritra Analamanga izao fampiofanana vao notanterahina izao ka hampisy fiantrainkany eo amin’ny lafiny sosialy sy ara- Toekarena eny ifotony mba hampisy ny fampandrosoana mirindra.
#MPEB#DRPEB#SLK#FJKM_Ambohinaorina#Analamanga#Fiompiana_trondro.
