Mpiasam-panjakana efa misotro ronono no nisafidy ny fiompiana trondro ho ataony ho asa fototra sy fivelomana no notsidihan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Atsimo Atsinanana ny faha 21 Novambra 2025 teo.Efa manana dobo miisa 8 izy ary dobo fanangonan-drano 30 ara eo ho eo.
Nomena ny toro-marika ara-teknika samihafa izy toy ny fanajariana ny toearam-piompiana, ny fanatsarana ny lalan-drano manary rano ary tsy adino ny toro-hevitra mikasika ny teknika fiompiana trondro sy ny fomba famarotana ny vokatra ao aorian’ny fiotazana mba hijerena lalambarotra hanampiana azy amin’ny fandraharahana izay hataony sy hiteraka vokatra maro hoan’ny rehetra izay miara-miasa aminy amin’ity seha-pihariana ity.
