Ampandrianomby, 24 Novambra 2025.
Tontosa tamim-pirahalahiana ny famindram-pitantanana teo amin’ny Sekretera Jeneraly teo aloha sy ny sekretera jeneraly vaovao eto anivon’ny Ministera.
Anisan’ny fanamby ho hapetraka mandritra izao andron’ny fanavaozana izao hoy A/toa Sg Adakalo Nasolo ny fametrahana ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (#MPEB) ho lohany Ary ho fanohitra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara miaraka amin’ny fikajiana ny tontolo iainana.
Hamafisina ny ady amin’ny kolikoly amin’ny alalan’ny fanatsarana sy fitantanana madio sy mangarahara.
Fametrahana ny « digitalisationΒ Β» sy Fanohizana ireo traikefa sy asa rehetra Efa natao ihany koa ny fametrahana ny « feuille de routeΒ Β» izay mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ankehitriny.
Ny fiaraha miasa ny rehetra no hahafahana manatanteraka izany ka mila mifanome tanana sy ny fiaraha-mientan’ny mpiasa iray manontolo.
Nisaotra ny mpiara-miasa rehetra teto anivon’ny Ministera kosa ny Sekretera Jeneraly teo aloha Tamin’ireo asa rehetra niarahana nahafahana nahazoana vokatra tsara Ary nirary soa ny Sekretera Jeneraly vaovao. Torak’izay ihany koa , nirary soa azy mirahalahy mianaka A/toa Minisitra CHAN Kit Waye Jaco.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiΓ©e. Les champs obligatoires sont indiquΓ©s avec *