» 𝙃𝙊𝙉𝙆𝙊 𝙑𝙊𝘼𝙃𝘼𝙍𝙊-𝙈𝘼𝙂𝙉𝘼𝙏𝙎𝘼𝙍𝘼 𝙑𝙀𝙇𝙊𝙉𝙏𝙀𝙂𝙉𝘼 » io no teny filamatra tamin’ny Festival de mangrove andiany voalohany izay notontosaina ny faha 20 -21 -22 Novambra 2025 teo tao Marotony,Kaominina Ambanivohitra Bemanevika Ouest, Distrikan’Ambanja,Faritra DIANA, Izay tanàna miavaka indrindra raha ny fanadiovana ny tanana no nisantarana izany. Io toerana io ihany koa dia ao anatin’ny Faritra arovana# AMP Ankivonjy ka ny Fandaharan’asa Peche Côtière Durable(PCD II) sy Tetikasa RECOS no nanohana ny ara-bola ny WCS tamin’ny fanantanterahana izao hetsika izao.
Anisan’ny nanamarika ny fotoana ny fambolena honko tamina velaran-tany manodidina ny 1 ha eo eo ka « propagules » 6500 isa no novolena tao Marotony .Teo ihany koa ny fanaovana ny Lohabary andasy momba ny JONO MAHARITRA – TANANDEHIBE –NY TSINDRY MAHAZO NY ALA HONKO izay natao tao Nosy Bé Hell ville
Ny faha 22 Novambra 2025 izay hetsika noentina namaranana ny fotoana ka mbola nisy fambolena honko (5 000 propagules) tamina velarana antsasaky ny hekitara tao Ankolepa Jabala honko, Izay toerana tantanin’ny VOI MAHILAKA ary ny fanaovana diabe « Carnaval » izay nandraisan’ny mpisehatra maro sy vondron’olona ifotony mpanjono ary mpikobaby ala honko anjara .
Ny Tanjona tamin’ity hetsika ity dia ny fampivondronana ireo mpisehatra rehetra mba hiaro sy hiady amin’ny tsindry mahazo ny ala honko, ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro mba hisy fitantanana maharitra sy hahafahana hanatsara ny velontegna ary mitondra fampandrosoana ho an’ny faritra mba ho tombontsoan’ny besinimaro. Tsy adino ny fanamafisana sy fanentanana ho an’ireo tanora ho sahy handray andraikitra amin’ny fiarovana ny ala honko izay toeram-ponenan’ireo harena an-dranomasina maro izay manandanja ara-toekarena.
#MPEB #DRPEB_DIANA #CLGIZC_#VOI_Communautes_de_pêcheurs.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *