Nanatanteraka fitsidihina ara-pomba fanajana teto amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) eto Ampandrianomby anio faha 26 novambra 2025 Atoa Roland KOBIA, Masoivohon’ny Vondrona Eropeanina (UE) miasa sy monina eto Madagasikara.
Nandritra ny fihaonana no nanamafisan’Atoa Masoivohon’ny UE ny fiarahabana an’Atoa CHAN KIT WAYE Jaco, izay vao voatendry hiandraikitra ny Ministera ary nanamafy ny fanohizana ireo fiaraha-miasa izay efa nisy tao anatin’ny 68 taona.
Nohamafisiny nandritra izany ny politika ankapoben’ny UE ankehitriny amin’ny fametrahana fomba fijery mpanorina tao aorian’ny fisian’ny hetsi-bahoaka farany teo ary manaraka akaiky ni fivoaran’ny toe-draharaha.
Tetsy ankilany dia nahampafantatra ireo vina sy politika ho apetrany amin’ny fitantanana ny Ministera Atoa Ministra izay hiompana indrindra amin’ny ady amin’ny kolikoly, ny fampiroboroboana ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fihariana anaty rano ary ny fanomezan-danja ireo vokatry ny harena anaty rano. Vina izay mifanindran-dàlana amin’ireo tanjona izay apetraky ny Vondrona Eropeanina rahateo.
Ity fihaonana voalohany ity ihany koa dia nahafahana sahady nanolotra ireo tetikasa izay ho kasain’ny Ministera ho tanterahina atsy ho atsy izay hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ka anisan’izany ny Vondrona Eropeanina (UE).
#MPEB #MasoivohoVondronaEropeanina
Visite de courtoisie de Son Excellence Monsieur Roland KOBIA, Ambassadeur de l’Union européenne, auprès du Ministre de la Pêche et de l’Économie bleue, Monsieur
CHAN KIT WAYE Jaco, Ministre de la Pêche et de l’Économie bleue, dans son bureau à Ampandrianomby.
L’Union européenne a réaffirmé la solidité de son partenariat avec Madagascar, un engagement qui s’inscrit dans plus de 60 années de coopération. L’Ambassadeur a également exprimé la disponibilité de l’UE à poursuivre un dialogue constructif et attentif dans le contexte actuel.
Monsieur le Ministre a, pour sa part, rappelé les priorités stratégiques du MPEB :
• l’assainissement du secteur et la lutte contre la corruption,
• le développement de l’entrepreneuriat et de l’économie bleue,
• la valorisation durable et optimale des ressources halieutiques,
• et le renforcement de la gouvernance au bénéfice des communautés de pêcheurs.
Ces orientations s’inscrivent en cohérence avec les axes d’intervention soutenus par l’Union européenne dans les domaines de la gouvernance, de la durabilité et du développement économique.
Les deux parties ont également échangé sur les projets en cours ainsi que sur les perspectives de collaboration dans les prochains mois, dans l’objectif commun de renforcer les filières halieutiques et de soutenir les communautés littorales.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *