Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fivoriambe ministerialy faha 33 aty Afrika mahakasika ny fanjarian-tsakafo

Ny resaka fanjarian-tsakafo dia mbola olana maneran-tany nohon’ny fitomboan’ny Mponina sy ny fiovan’ny Toetrandro izay samy atrehin’ny Firenena tsirairay.
  Tsy mitovy nefa ny fahafahan’ny rehetra miatrika izany ka izany no mahatonga ny FAO manao izao fivoriambe izao mba hisian’ny fifanakalozana traikefa ary ny hanana paikady iarahana mifanampy hiatrehana ny olana rehetra.
  Tanterahana aty Rabat, Maroc, ny Fivoriambe faha 33 aty Afrika izay andraisan’ny Minisitra misahana ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono aty Afrika ka
Atoa Mahatante Tsimanaoraty Paubert, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no misolotena an’i Madagasikara amin’izany.
Tonga manokatra sy manome voninahitra izao Fivoriambe izao ny Praiminisitra Marokana sy ny Tale Jeneralin’ny FAO.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru