Analapatsy dia Kaominina manamorona ranomasina nefa ahitana tsy fanjarian-tsakafo ary ny fambolena atao dia zary raha mamokatra nohon’ny hain-tany.
Arak’izany dia mila mifototra bebe kokoa amin’ny resaka jono ny olona aty satria na misy na tsy misy ny orana dia misy harena hatrany ny ao anaty ranomasina toy ny oratsimba (langouste), sihely, valahara sy karazan-trondro hafa…
Tonga nanolotra fitaovam-panjonoana eto Analapatsy amin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana tarihan’Atoa Filoha hajaina Andry RAJOELINA, ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’ireo Manam-pahefana aty amin’ny Faritra Anosy ialohavan-dRamatoa Governora.