RAMBON-DANITRA FARITRA AMBOVOMBE ANDROY
NANOME VONJY RANO VAKY HO AN’IREO TRABOINA TAO AMBONDRO NY FITONDRAM-PANJAKANA.
Vary miisa 40 gony sy fanitso miisa 186 no natolotra ho an’ireo vahoaka Tao amin’ny kaominina ambondro Anio 31 Janoary 2025 avy amin’ny fitondram-panjakana eo ihany koa ny fiaraha-mientan’ ireo Mpiara-miombon’antoka rehetra ,ny BNGRC , ny avy ao amin’ny Aquatic Service sy ny maro hafa.
Nidina teny ifotony A toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert solotenan’ny fitondram-panjakana no sady mpiahy ny Faritra Androy nanolotra ireo vonjy rano vaky ho azy ireo izay narahiny fanentanana hatrany amin’ny tokony hitandremana manoloana ny tranga toy izao.
Marihina fa tsy mpitranga matetika izy ity fa nohon’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Na izany Ary Mbola ho avy ireo fanampiana maro samihafa omena azy ireo ,eo ihany koa ny fanohizana ny famerenana tsikelikely ireo mpiandriaka tavela an-dranomasina.