Tsy mikely soroka ireo mpisehatra isan-tsokajiny miaraka amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert aty an-toerana fa Manao ny ezaka rehetra hanavotana ny ain’ireo mpanjono namana.tavela an-driaka.
Hatreto dia mpanjono miisa 424 no Efa an-tanety , miisa 15 kosa ireo lakana tavela any an-dranomasina fa ny mpanjono nitondra ireo no Efa tafiakatra soa amantsara . 11 izany ireo Mbola karohina .
Marihina fa Efa mande ihany koa ny sidina (survol) hanainga avy ao tolagnaro hamakivakiky ny ranomasina anelanelan’ny faradofay sy Ambovombe Androy hitady ireo lakana 11 karohina.
Hisaorana hatrany ny fiaraha-mientan’ ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifanomezan-tanana ao ny Aquatic Service , ny BNGRC , ny QMM …

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *