Hatramin’ny omaly dia mitohy Amin’izao fotoana izao ny fitanterana tsikelikely ireo mpiandriaka tavela an-dranomasina. Miisa 32 ireo mpiandriaka izay fefika tany Analapatsy naterina teto Maroalomainty fonenan’izy ireo .
Tsara ny manamarika fa nandray an-tanana azy ireo tamin’ny famahana sakafo ireo fédération des pêcheurs tao Analapatsy . tsy Nisy aina nafoy Ary Salama tsara avokoa izy rehetra.
Nanantitra azy ireo teny an-toerana Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra Sy ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Narahina fanentanana hatrany ny fifampiresahana teo amin’izy ireo. Isaorana hatrany ireo mpisehatra rehetra tamin’ny fanavotana sy fanomezana fitaova-pitaterana ireo mpanjono.