MANOFANA TANORA AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA ARY JONO.
Tanora manodidina ny arivo any ho any no miofana eto amin’ny mompera amin’ny U-Magis bevalala izay manao ny resaka fambolena ,ny fiompiana Ary ny fihariana anaty rano.
Raha ny hita tena an-toerana dia hananan’izy ireo ny rano sy ny tany manodidina ny 100 ha mahery izay ahafahana mametraka ny ZEP (Zone d’Emergence Piscicole) . Azo ambolena ao avokoa ireo akora fototra ho atao provandy na sakafon-trondro na ireo biby hafa.
Tonga teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nijery ny fomba hiara-miasa amin’izy ireo entina hampiroboroboana izany ahafahana mamatsy sy mamaly ny filàna an-tanan-dehibe toy ny eto Antananarivo fa indrindra hanatrarana ny vina amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Marihina hatrany fa ny toerana Rehefa misy rano dia afaka hiompiana trondro Rehefa voafehy ireo teknika rehetra .