Tsy mandany vola Ary mora hiompiana sy karakaraina hoy Mme Dorety ny fiompiana lalaitra Mahasoa na BSF izay mamokatra olitra vaventy ho fanampitsakafon’ny biby fiompy toy ny trondro.
Marihina fa Anisan’ny tsara ho an’ny trondro izy ity izay mora sy tsara ny tahan’ny fampamokarana manoloana ny provandy noho ny olitra vokarin’ity farany manana taha ambony amin’ny otrikaina (protéines) sy menaka « lipides » ilain’ny trondro, izany oe mahasolo tanteraka ny provandy mihintsy. Sakafo organika raha teo ny sakafony toy ny ambin-tsakafo any an-tokatrano tsirairay ka tsy misy akora simika mihintsy.
Anisan’ny mpisitraka ny Tetikasa SANUVA ihany koa ny tenany izay ahafahany mahazo ireo toromarika ara-teknika rehetra hanatsarana ny asa fihariana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *