Araka ny toromarika avy amin’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, dia notanterahina ny faha-12 Martsa 2025 ny fanolorana fotsim-bary 82 gony ny mpanjono tra-boina izay monina ao Itapera, Kaominina Ambanivohitra Mandromondromotra sy Ampanasatomboky-Ste Luce Kaominina Ambanivohitra Mahatalaky, Distrikan’ny Tolagnaro, Faritra Anôsy.
Fanampiana avy amin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny « Appui Sectoriel » na ny tohana hoa n’ny sehatry ny Jono eto anivon’ity Minisitera ity.
Nahatsapa ny Minisitera fa voinkava-mahatratra ny tranga toy itony koa rariny raha mifanome tanana ny rehetra ho fanampiana ny mpiray tanindrazana fa indrindra ny mpanjono izay anisan’ny vahoaka marefo noho ny fiovaovan’ny toetrandro.
Tonga nanome voninahitra sy nanolotra ireto fanampiana ireto ny Solombavam-bahoaka RATSIMANDRIONA Aida sy ny mpiara-miasa aminy, ny mpiara-miasa ato amin’ny #DRPEB_Anôsy izay natrehin’ny mpanjono sy ny vadiny, ny Sefo fokontany isan-tanàna avy.
Toutes les réactions :

Gaetan Andriamifidy, Mamy Ramarokoto et 154 autres personnes

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *