Ankoatry ny asa sahan’ireo zandarimaria ao amin’ny Ankany misy azy ireo eto Arivonimamo,dia manana fikasana ny hiditra amin’ny sehatry ny fiompiana trondro ihany koa izy ireo. Malalaka ny toerana ahafahana Manao izany raha ny hita nandritra ny fitsidihan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert teny an-toerana.
Nijery ny fomba rehetra ahafahana manao ny fanajariana rehetra ny tenany na ny refin’ireo Dobo na ireo Dobo afaka hapetraka ao an-toerana Ary koa ny fampidirana ny rano. Amin’ny alalan’ny « Forage » kosa no hisintomana rano ho atao anatin’ireo Dobo . Raha ny hita dia Afaka mametraka Dobo lehibe ho fanatavezana trondro izy ireo ary afaka Mbola misy Dobo hafa hiompiana zana-trondro ary fampiterahana trondro izay arakaraky ny refin’ny Dobo ,izy ity ihany koa dia toeram-piamaboly ho an’ny ankizy miisa 60 ao an-toerana.
Tanjona ny hametrahana Zavatra maharitra fa tsy mandalo fotsiny izay afaka atao sakafo hanampiana ny ao amin’ny ankany Raha nambaran’A/toa Minisitra