Dobo miisa 15 izay afaka mamokatra zana-trondro manodidina ny 1000T/ isan-taona ,toeram-piofanana mazaka olona 50 ho an’ireo izay Liana rehetra aminy sehatry ny fiompiana trondro, toeram-pikotrehana izay afaka mamokatra zana-trondro manodidina ny 5 tapitrisa, « laboratoire » , ny birao fankan-kevitra sns… Ireo rehetra ireo ho hita ato anatin’ity fari-pisandratana ho an’ny famokarana zana-trondro na Zone d’Emergence Piscicole eto Ampivarotan’omby Ambositra ity.
Tanjona hatrany ny hampiroboroboana ny sehatry ny Jono eto Madagasikara,hanampiana ihany koa ireo Tanora rehetra tsy an’asa ,hiadiana amin’ny Tsy fanjarian-tsakafo sns..
Manova fiainan’olona iray hoy A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert ny fiompiana trondro nandritra ny fitsidihany , noho izy mampidibola betsaka no asa mahavelona ihany koa. Hirariana arak’izany fa hamatsy zana-trondro manerana ny Faritra amoron’i mania ity toerana ity atsy ho atsy.
Fitsidihana ara-teknika no Notanterahina Anio nentina Nijerena ireo pitsopitsony rehetra hanatsarana hatrany ny foto-drafotrasa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *