AMBOVOMBE ANDROY.
Ny firaisankina no hery , izay no azo amehezana ny hafatra izay nataon’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no Sady mpiahy ny Faritra Androy #MAHATANTE_Paubert nandritra ny fitsidihany ireo traboina maherin’ny 2000 izay mitoby eto amin’ny Sacré Cœur Ambovombe Anio 17 Martsa 2025.
Nambarany fa hiray fo tanteraka amin’izy ireo ny tenany miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra izay tarihin’ny manam-pahefana eny ifotony Ary indrindra ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta manontolo izay Mifanome tanana amin’ny Fanampiana azy ireo Sy ireo traboina hafa rehetra izay nitondra takaitra nandritra ny Fandalovan’ny rivodoza Jude iny
Tsara ny manamarika fa betsaka amin’izy ireo no mpanjono sy vadina mpanjono izay simba fananana ka Mila mifanohana Ary tsy mamela azy ireo irery arak’izany ny fitondram-panjakana, ireo olom-boafidy sy mpilatsaka an-tsitrapo .