Taorian’ny fanentanana sy ny fiofanana dia resy lahatra fa hisehatra amin’ny fiompiana trondro Atoa Ruffin mipetraka ao Anketrakabe. Ka avy hatrany dia niroso amin’ny fanaovana dobo. Miisa 07 ny dobo andalam- pahavitana raha folo no tanjona ho tratrarina.
Nidina ifotony ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Diana ny faha 22 Marsa 2025, nijery sy nanome toromarika hanatsarana ny fomba fanorenana sy fiompiana trondro amin’ity toerana ity.
Izao no atao mba ho fampiroboroboana ny sehapihariana fiompiana trondro any amin’ny Faritra avaratra, hiteraka asa mahavelona sy hanatsarana ny velonten’izy ireo ary hanafoana ny tsy fanajarian-tsakafo.
#MPEB #DRPEB_Diana #Fampamokarana_ny_Atirano

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *