Tanteraka soamatsara ny fizarana ireo zana-trondro maimaimpoana ho an’ireo tanora sy Renimpianakaviana izay efa nisitraka ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro Teto Toliara , miisa 50 izy no hisitraka izany. Hisaorana ny Teo anivon’ny « la bonne fermière » tamin’ny fanomezana ireo zana-trondro Ary Hisaorana ihany koa Isika Tanora izay niarahana nisalahy tamin’ny lamina sy fandaminana rehetra
Ho antsika izay te #hisitra #fampiofanana #fiompiana_trondro eto toliara kosa dia manome fotoana antsika afaka roa herinandro dia Efa hanantateraka izany eto an-toerana A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert hanantateraka izany ka dia Efa mampiomana antsika sahady.