Mitohy eto amin’ny Faritra Diana indray ny fitsidihana entina hampandrosoana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga izay tarihin’A/oa Minisitra MAHATANTE Paubert. Tonga soa amantsara eto Nosy be ny tenany Anio 30 Martsa 2025
Maro ireo hetsika izay ho Tanterahina anisan’izany ny :
FANOKAFANA ny #JONO_MAHALOKY ao #Nosy_Faly
Fizarana « Vedette » hanaovana ny surveillance communautaire ao #Nosy_Faly .
Fizarana ireo lakana en fibre de verre ho an’ny fikambanan’ny mpanjono ao Nosy Faly.
Ary fitsidihana ireo foto-drafitrasa rehetra mifandraika amin’ ny sehatry ny Jono ao Nosy be sy ny ahafahana mampiasa ireo araky ny tokony ho izy .
Haharitra 4 Andro kosa ny fitsidihany eto an-toerana.