Nandritra ny 3 volana nanomboka ny
31 décembre hatramin’ny 31 mars no nikatona ny fanjonoana mahaloky ho an’ireo mpanjono eto aty amin’ny Faritra avaratry ny Nosy eto Madagasikara. Notanterahina Anio 31 Martsa ny lanonana fanokafana izany amin’ny fomba ofisialy Raha ny 01 Aprily kosa no mandeha manjono midina an-dranomasina ireo mpanjono. Ny Antony dia ahafahana mampanara-dalana hatrany ireo mpanjono izay misehatra amin’ity mahaloky ity .
Hazan-drano Anisan’ny mampidibola ny mahaloky.
Nisy kosa anefa ny fanentanana maro samihafa nandritran’izany ahafahana mahazo vokatra maro. Ny firaisankina sy firaisan-tsaina no tena mampiavavaka an’ireo mponina satria izay no ahafahana manatsara sy mahita tombotsoa hoy a/toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny fandraisam-pitenenany. Izao no tanteraka dia nisy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny sehatra tsy miankina isan-tsokajiny.
Marihina fa Hananan’ny Faritra avaratra avokoa ireo harena mampiavaka an’i Madagasikara izay ho lovain’ireo taranaka fara-mandimby.
Hisaorana ireo sehatra tsy miankina sy mpiara-miombon’antoka toa ny Projet Resea , blue Ventures, Projet Mihari , UICN , Projet Riaka , C3 sy ireo izay niara-nisalahy tamin’ny Fanantaterahina izany.
MAHALOKY ,FIVELOMAKO KA AROVAKO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *