Nosokajina manokana ny mpianatra aty @ anjeri- manontolo ato Maninday, Toliara ny @ maha zava-dehibe #FOJAEB. Valo andro mialohan’ny hetsika Fihaonamben’ny Tanora Afrikanina momba ny Toekarena Manga dia nisy ny famelabelaran-kevitra momba izany #FOJAEB izany izay niarahana tamin’ Atoa Ernest TINDO, Filohan’ny #OPJEB sy ireo mpianatra avy eto Maninday, Toliara ny 09 Avril 2025.
Tombony ho an’ireo tanora ny fanazavana izany Toekarena Manga izany ary indrindra ny zava-misy eto Madagasikara ary ho fahampafantarana azy ireo ny maha zava-dehibe ny hetsika toy izao. Miisa 54 ny Firenena mpikambana ao anatin’izany ka anisany izany ny Madagasikara izay niditra ho mpikambana ary niara-nanao sonia izany ny 06 septembra 2024 nandritran’ny fankalazana ny andro nationaly momban’ny Toekarena Manga andiany faharoa natao tao Toamasina.
Marihina hatrany fa tsy hitsahatra ny #MPEB hampafantatra izany tontolon’ny Toekarena Manga izany amin’ny Tanora sy vahoaka Malagasy.