Ny faha 18 sy ny faha 19 Aprily 2025 teo dia nisy ny fidinana ifotony notontosain’ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Betsiboka tao Maevatanàna antampo-tanàna sy tao amin’ny Fkt Antafia, Kaominina Ambanivohitra Maevatanana-II izay nifantoka tamin’ny fanentanana ireo mpivarotra haza an-drano.
Ny tanjona dia ny hampahafantatra sy hamporisika ireo mpivarotra mba hanaraka ny lalàna mifehy ny fivarotana haza an-drano, indrindra ireo mpivarotra filao.
Nohamafisina nandritra ny hetsika fa ilaina ny fanajàna ny fepetra napetraka, satria ny fanjonoana sy ny fivarotana ny filao madinika dia hisy fiantraikany ratsy amin’ny fiveloman’ireo mpanjono sy mpivarotra ary haharingana tanteraka ireo harena voajanahary izay tokony ho lovainjafy.
Nanamafy ny DRPEB Betsiboka fa hanohy ny fanentanana toy izao izy ireo mba hampiroboroboana sy ho fampandrosoana maharitra ny sehatry ny jono ao amin’ny Faritra. Nanentana ireo mpivarotra sy ny mpanjono ihany koa izy ireo mba hiara-hiasa ho fiarovana ny harena an-dranomasina, izay ivon’ny toekarena sy ny fiveloman’ny mponina ao Maevatanàna sy ny manodidina.