Noraisin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert teny amin’ny Birao fiasany teny Ampandrianomby ny 23 Aprily 2025 ireo « CICDA » avy any Sina miaraka amin’ny Masoivohon’ny Firenena hoentim-bahoaka an’i Sina monina sy miasa eto Madagasikara. Nandritra izany no niresahana ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny Toekarena Manga, toy ny fikarohana, ny fanjoana, ny fihariana anaty rano, ny fanatsarana ny fanondranana ireo vokatra an-dranomasina mankany Sina.
Voaresaka ihany koa ny  » Forum Économique » izay ho karakarain’izy ireo ho atao anay Sina, hanasany an’Atoa Minisitra hanatrika izany. Noresahina koa ny hijerena ireo tetikasa iarahan’ny roa tonta ka Atoa Masoivohon’ny Firenena hoentim-bahoaka an’i Sina sy ireo ekipa teknikan’ny sy ny Ekipa Teknikan’ny Ministera no hiaraka hanokatra ilay tetikasa amin’izay fotoana izay.
Hojerana miaraka ihany koa ny fanatsarana ny fiainan’ireo mpanjono sy ireo mpampiasa ranomasina amin’ny alalan’ny « amélioration du système d’alerte précoce », iarahana mahalala ny fahasahiranan’ireo mpanjono manoloana ny fiovaovan’ny toetry ny andro ankehitriny.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *